Samihafa

Fampandriana fahalemana “Vonona hamita iraky ny Firenena mikambana ny Tafika malagasy”, hoy ny Cemgam

Ampy ny fitaovana sy olona, ary tomombana ny lafiny teknika sy ny taktika. “Vonona tanteraka amin’ny iraka mety hampanaovina azy ny Tafika malagasy”, hoy ny jeneraly Rakotonirina Théophile, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika malagasy (Cemgam), afak’omaly, nandritra ny lanonana famaranana ny fanazarantena nataon’ireo vondron-tafika ao amin’ny Recamp, izay mivonona ny hanao Tafiky ny Firenena mikambana.

Manodidina ny roanjato ireo miaramila nanaraka fanazarantena teny amin’ny faritra Vonizongo nandritra ny efatra andro, tamin’iny herinandro lasa iny. “Voalaza ao anatin’ny Lalàm-panorenantsika ny hoe manana adidy isika mandefa Tafika any ivelany raha ilaina izany. Manomana amin’ny lafiny rehetra an’ireo miaramila mba afaka hiatrika izany no andraikitry ny Tafika. Anjaran’ny mpitondra no manapa-kevitra. Manana isika amin’ny lafiny fitaovana. Tsara ny mampahafantatra fa aloan’ny Firenena mikambana avokoa ny vidin’ny fitaovana entintsika miatrika izany, aorian’ny sivy folo andro ahatongavana any amin’ilay firenena. Mahazo tombony be sy misy fivoarany amin’ny toekarena mihitsy ho an’ny firenena mandefa miaramila amin’ireny fampandriana fahalemana ireny. Isan’ny nahazo tombony ary mbola misitraka izany i Rwanda. Mahazo tombony koa ny Tafika malagasy fa indrindra ireo miaramila mankany dia hahazo 1000 dolara isam-bolana isam-batan’olona mandritra ny enim-bolana na sivy volana ipetrahany any”, hoy hatrany ny Cemgam.