Samihafa

Voina tampoka Vehivavy nianjeran’ny andrin-jiro

Nindaosin’ny fahafatesana vokatry ny fianjeran’ny andrin-jiron’ ny Jirama taminy ny vehivavy iray, tany Morafeno-Antsiranana I, afak’omaly. Vaky mihitsy ny karandohan’ity niharan-doza. Mpivaromandeha no asan’io vehivavy, izay monina any Antanampitsasy ao Antsiranana io ihany.

“Andrin-jiro efa lozotra no nianjera tampoka. Nandray an-tanana ny fiantohana ny lany rehetra tamin’ny fikarakarana ny razana ny orinasa Jirama taty an-toerana rehefa nahalala ny zava-nisy. Misy ny fifampiresahana teo amin’ireo fianakavian’ny niharam-boina sy ny orinasa Jirama”, hoy ny angom-baovao avy any amin’ny Polisimpirenena any Antsiranana, izay manao ny famotorana momba izao tranga namoizana ain’olona izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao