Raharaham-pirenena

Fivoriamben’ny firenena mikambana Nivalampatra tamin’ny Covid-19 ny Praiminisitra malagasy

Nifototra tamin’ny fanaovana tomban’ezaka tamin’ny ady natrehan’i Madagasikara tamin’ny valanaretina Covid19 sy ny fanarenana ny aratoekarena ny kabarin’ny praiminisitra Ntsay Christian nivantana tamin’ny fahitalavitra nandritra ny fivoriambe faha75 an’ny Firenena mikambana (NU) tany New-York (Etazonia), tamin’ny sabotsy lasa teo. Nasongadiny ny fahombiazan’ny fampiasana ny tambavy vita Malagasy Covid-Organics (CVO) tamin’ny fitsaboana an’ireo marary teto amintsika. Nampahafantariny nanoloana an’ireo mpanaraka ny tafa mivantana tamin’ny fahitalavitra fa « nahatrara 93 % ny tahan’ny fahasitranana teto Madagasikara ».

Notsiahivin’ny Praiminisitra koa ny firosoan’ny fanjakana malagasy tamin’ny fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo olona marefo, ankoatra ny fisaorany an’ireo mpiara-miombon’antoka nanampy an’i Madagasikara tamin’ny fiatrehana ny valanaretina.