Samihafa

Fiverenana tsikelikely Hanomboka hisokatra tanteraka ny AFT Andavamamba

Hiverina amin’ny laoniny ao anatin’ny fanajana ny fepetra fiarovana amin’ny valanaretina rehetra ny fampianarana ireo sehatra kanto rehetra sy fanolorana lanonana eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny volana oktobra ho avy izao. Efa niverina talohan’ io ny fampianarana teny frantsay sy ny vaky boky. Ny kabary sy ny vata maroafitsoka no hisantatra an’izany, amin’ny 3 oktobra ho avy izao. Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Misandrahaka amin’ny kolontsaina marolafy ny AFT Andavamamba. Santatra fotsiny ihany noho izany ny fampianarana kabary sy ny vata maroafitsoka, fa ho avy manaraka ao ihany koa ny fampianarana “infographie”, manomboka amin’ny 28 oktobra. Hisy ihany koa ny fampianarana amin’ny hariva eo amin’ny vata maroafitsoka, izay natokana ho an’ireo mbola manana adidy sahanina amin’ny tontolo andro. Hanomboka amin’ny 5 oktobra izy io. Tsy maintsy miditra mpikambana ao amin’ny AFT Andavamamba moa ireo rehetra te-hisitraka ny fampianarana samihafa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao