Nafana ny tafatafa nifanaovan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina, niaraka tamin’ireo mpanao gazety tetsy amin’ny Studio an’ny vondrona fahitalavitra RTA tetsy Ankorondrano, omaly. Fotoana nanamafisan’ny Ben’ny tanàna ny fahasahiana hitondra ny fanovana mendrika ny renivohitra ary nanaovany fanamby amin’ny fahatsapana ny fiovana ao anatin’ny enimbolana monja.
Naverimberiny matetika ny fifotoran’ny baiko sy ny asa aman-draharaha hataon’ ny ekipany araka izay fampanantenana nataony tamin’ ny mponin’Antananarivo renivohitra amin’ny alalan’ilay fandaharanasa « veliranon’ Iarivo ». Tsy hanavaka amin’ny fampiharana ny fitsipika sy ny lalàna ho famerenana ny hasin’Antananarivo ny lehilahy.
« Tsy maintsy manaraka fitsipika isika rehetra. Tsy tokony hoentina eto andrenivohitra intsony ny fomba fiainana avy any ambanivohitra. Izay tsy afaka hanaraka ny satan’ Antananarivo renivohitra dia tsofina rano hitady tanàna hafa honenana », hoy mihitsy ny Ben’ny tanàna. Isan’ny fepetra hihatra tsikelikely eto Antananarivo renivohitra ny andalana rehetra ao amin’ilay boky kely mirakitra ny fikoloampahasalamana sy filaminana, na eo aza ny resabe sy fanabarabarana miely any amin’ ny tambazotran-tserasera. Zon’ny mponina tsy ankanavaka ny mitaraina noho ny loto sy ny fikorontanana eny amin’ny fiaraha-monina eto an-drenivohitra.
« Tanjona ny fametrahana ny fifanajana eny amin’ny fiaraha-monina. Tsy ny lamandy no hampidi-bola ho an’ny kaominina. Betsaka ireo mbola tsy mahalala an’ireo fitsipika ireo, ka hisy ny fanentanana hatao », araka ny fanamafisana nataon’i Naina Andriantsitohaina.
Na eo aza ny fanenjehana an’ireo mpandoto sy mpanakorontana dia tsy latsa-danja ny fepetra fanatsarana ombam-panorenana an’ireo fotodrafitrasa sosialy izay mifaningotra amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro.
Tsy mandeha ila
Nosinganin’ny Ben’ny tanàna ny fanamboarana toeram-pivoahana vaovao sy ny fametrahana dabam-pako maro. An-dalana ireo asa ireo, araka ny fampahafantarana nataony tetsy amin’ny Studio an’ny RTA, omaly.
Isan’izany ny fananganana trano fonenana ho an’ireo sahirana, ny fividianana fitaovana hiasan’ny kaominina amin’ny fanamboarana lalana, ny fanamboarana tsena, ny fanorenana toerana fialam-boly hanatsarana ny endrik’Iarivo sy ny hafa… « Efa mandeha avokoa ny antso tolo-bidy momba an’ireo, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Na izany aza, hoy i Naina Andriantsitohaina, dia hiezaka hatrany ny kaominina hampitombo ny fidirambolany ».
Nahazo fampitandremana manokana , tetsy andaniny, ireo mpihoa-pefy amin’ireo mpiara-miasa aminy, indrindra fa ireo mpanao kolikoly.
Hanome hevitra