Samihafa

Asa ratsy teny 67 ha Mpanendaka voatifitry ny polisy

Maty voatifitry ny polisy ny lehilahy iray nanendaka Baiboly tamin’ny vehivavy iray teny 67 Ha, raha tafaporitsaka kosa ny roa lahy, rehefa nifanehitra tamin’ny polisy misahana ny asan-jiolahy mahery vaika (SAG) izy ireo, omaly vao maraina. Iny izy nikasa hampiasa ny sabatra tamin’ireo polisy manao fanamiana sivily nikasa hisambotra azy ireo iny no nampipoaka ny basy ka nahalavo an’io mpanendaka io.

Nanendaka lehilahy iray avy nanatitra olona izy telo lahy ireo. Rehefa avy nahazo ny vola sy ny entana teny amin’itsy lehilahy itsy izy ireo no mbola saika handroba vehivavy iray andeha hivavaka indray. Lasan’izy ireo ny vola sy ny Baiboly. Hitan’ireo polisy nanao fanamiana sivily ireo jiolahy. Voan’ny tifitra teo amin’ny takibany ny iray izay nitazona ny sabatra saika hamira an’ireo polisy. Namoy ny ainy noho ny fahaverezan’ny ra taminy izy, araka ny loharanombaovao. Tsy hita popoka kosa ireo roa lahy hafa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao