Fanatanjahantena

Kitra any Eoropa Maniry ny hifindran’Ilaimaharitra ao aminy ny FC Metz

Mahasarika ireo klioba eoropeana, amin’izao fotoanan’ny fifindran-toerana izao, ilay mpilalao baolina kitra malagasy, irakiraka mpiaro ny Barea, Ilaimaharitra Marco, raha ny hita ao anaty filazam-baovao malagasy sy vahiny samihafa ao anaty tambajotrantserasera. Fantatra fa anisan’ireo mitady azy fatratra ny ekipan’ny FC Metz, Diviziona voalohany any Frantsa, izay ao anatin’ny fanamboarana ny ekipany, ankehitriny.

Mitady mpilalao hitana ny toeran’ny irakiraka mpiaro ny mpanazatra ity klioba ity. Imbetsaka no nisy ny fifampiresahana teo amin’ ny roa tonta, saingy tsy mbola nisy ny hevitra tapaka. Miandry izay mety ho fizotran’ny fifanarahana izany ny rehetra

Mpilalao ao amin’ny Charleroi SC, Diviziona voalohany any Belzika i Marco, 25 taona amin’izao fotoana izao.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra