Kolontsaina

Fiaraha-miasana mpanakanto Hiara-hihira amin’i Black Nadia sy Dah’Mama i Rijade

Mikononkonona sy manomana hira vaovao maromaro i Rijade, amin’izao fotoana izao. Hisy ny sanganasa hiarahan’ireo artista fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny mozika mafana, toa an-dry Black Nadia sy Dah’Mama, izay hivoaka tsy ho ela. Fanambin’ ity andriambavilanitra volavolain’ ny vondrona Bj Label ity ny hanome fialam-boly sy zava-baovao ho an’ny mpankafy.

“Nantsoiko hiara-hiasa amiko ireo mpanakanto ireo satria mila ny fanampian-dry zareo aho. Manan-talenta izy roa. Misy tendro iraisanay telo mirahavavy eo amin’ ny fanaovana mozika”, hoy i Rijade.

Nomarihiny fa endrika maroloko no hanehoany sy hamoahany an’ireo vokatra vaovao nomaniny. Any Frantsa avokoa no hanodinana ny raki-tsary, raha ny fanazavana. “Tiako raha tontosaina any Madagasikara ny rindran-tsary rehetra saingy tsy vita izany noho ny valanaretina mamely mafy ankehitriny”, hoy izy.

Artista mitrandraka gadonkira isan-karazany i Rijade. Ny vazo milantolanto no nanombohany. Novelariny tamin’ny filalaovana mozikan’ny tanora sy trôpikaly izany, taty aoriana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao