Samihafa

Fiantraikan’ny valanaretina Ahiana hihemotra ny lalaon’ireo mpiasam-panjakana

Vinavinaina hotontosaina any Mahajanga amin’ny 15 ka hatramin’ny 25 septambra 2020, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ataon’ny fikambanana ara-panatanjahantena misahana ireo mpiasam-panjakana na ny Asief. Ahiana anefa ny mety tsy hahatanteraka ny fihaonana amin’io daty voafaritra io noho ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 any an-toerana, amin’ izao fotoana izao. Voatana kosa anefa ny fampiantranoan’ny renivohitr’i Boeny ny hetsika.

“Miandry ny fivoriana handinihana ny fandaharam-potoana sy mombamomba ny fifaninanana ny mpikambana ao amin’ny vaomiera mpanatanteraka. Mety hisy fiovana satria ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina tanteraka isika. Andrasana ny fivoaran’ny toe-draharaha”, hoy Andrianarison Jean Aimé, filohan’ny Asief.