Samihafa

Fanasoketana tamin’ny praopagandy Tratra ireo nametaka sary tamin’ny fiaran’ny zandary

Fanalam-baraka sy fanapariahana vaovao tsy marina no vesatra iampangana ny olona telo voasambotry ny Zandarimaria, tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Nametahan’izy ireo afisina fampielezan-kevitra ny fiaran’ny zandarimaria rehefa nentin’ny mpamily nody tany an-tranony nisakafo, tamin’ny zoma. Nalain’izy ireo sary ary naparitany tamin’ny pejy “Facebook”, avy eo.

“Nisy mpanao fampielezan-kevitra nandalo teo amin’ilay toerana nisy ny tranon’ny zandary mpamily ny fiara tamin’io zoma io. Taorian’izay no nahitana afisy naraikitra tamin’ilay fiara. Nokarohina ka voasambotra ireo tompon’antoka. Tamin’ ny fakàna am-bavany azy ireo no nahafantarana fa olana teo amin’ilay kandidà nanao fampielezan-kevitra nandalo teo amin’ny toerana io sy ny kandidà tsy miankina iray, izay napetrak’izy ireo tamin’ny fiaran’ny zandarimaria ny sariny, no nahatonga ireo olona ho nahavanona ny fanasoketana toy izao”, araka ny fanampim-panazavan’ny zandary nanao famotorana.

Misy olona iray hafa mbola karohina ahiana ho atidoha tamin’izao raharaha izao.