Sosialy

Fitaterana mpandeha Miato tanteraka ny sidina iraisam-pirenena

Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana, fizahantany ary ny famantarana ny toetrandro, omaly, ny fiatoan’ny sidina an’habakabaka avy any ivelany, izay mitondra mpandeha miditra eto Madagasikara. « Tsy hisy ny sidina, na avy any Inde na avy any La Réunion, mandritra izao hamehana ara-pahasasalamana izao », hoy ny fanambaràn’ny minisitera manoloana ny fiparitahan’ny vaovao milaza ny fiandrasana ny sidina hafa ataon’ny kaompania Air France, izay handalo ao La Réunion avy any Azia, toa an’i Inde, ka hitondra mpandeha ary higadona eny Ivato amin’ny alakamisy ho avy izao (Naotin’ny Fanoratana: rahampitso).

Fantatra fa ilay fiaramanidin’ny Air France nigadona teny Ivato, afak’omaly, sisa no sidina nitondra mpandeha farany noraisin’i Madagasikara, mandra-pivoatran’ny fepetra vaovao momba ny fitaterana an’habakabaka ifandraisana amin’ny any ivelany. Miandry ny valin’ireo fitiliana PCR ny tsimokaretin’ny Covid-19 hatrany kosa ireo mpandeha valopolo sy roanjato tonga teto amintsika, afak’omaly ireo, mialoha ny hivoahany amin’ny fitokanamonina nametrahana azy ireo tany amin’ny trano fandriambahiny samihafa taorian’ny figadonany teny amin’ny seranam-piaramanidina.