Tranga samihafa

Fanariana mpandeha Mpamily taksibe nosamborin’ ny polisy

Niafara tamin’ny fisamborana ny mpamily ny fanariana mpandeha sady narahina famaliana mpitandro filaminana noho ny fandavana hanome ny taratasin’ny taksibe iray teny Ankadimbahoaka, omaly. Naiditra am-ponjakely eny amin’ny biraon’ny Kaomisaria eny Tanjombato io mpamily io.

Mampitohy an’i 67Ha sy Iavoloha itsy taksibe itsy. “Noterena hidina teo Andohavato ireo mpandeha raha tokony ho any Iavoloha ny faran’ny zotra. Nandà hatramin’ny farany ny mpandeha tao anaty fiara. Velona ny fifamaliana izay niafara tamin’ny fiantsoan’ny olona ny polisy niasa tsy lavitra teo. Efa nitodi-doha niverina ho any Ankadimbahoaka ilay fiara, tamin’izay”, hoy ny fanazavana avy amin’ny Polisimpirenena. Ankoatra ny fandikana ny bokin’andraikitra dia vesaran’ny tsy fanekena ny asan’ny mpitandro ny filaminana io mpamily io. “Tsy nety nanome ny taratasin’ny fiara ilay mpamily rehefa noenjehina ka tratra. Namalivaly ny polisy am-perinasa izy”, hoy hatrany ny Polisim-pirenena. Hatolotra ny Fitsarana, anio, ilay mpamily raha tsy misy ny fiovana.