Tranga samihafa

Voina nahafaty Lehilahy main’ny herinaratra teny ambony tafon-trano

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray main’ny herinaratra tany Morarano Toamasina, omaly tolakandro. Teny ambony tafon-trano izy no tra-doza. Heverina ho nikasoka tamin’ny tariby lehibe mpitondra herinaratra ny zavatra teny an-tanany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana.

Ny sampana mpamonjy voina no tonga voalo- hany tany Morarano tamin’ny fahenoana fisiana lehilahy main’ny herinaratra ka tsy mahatsiaro tena eo ambony tafo. Nozahana ka hita fa tsy misy aina intsony ity niharam-boina. Ny polisy mpanao fanadihadiana lalina (PJ) indray avy eo no nandray ny raharaha noho ny fisiana aina nafoy.

« Fantatra tamin’ny angom-baovao natao fa nanamboatra tafo teo ambony trano io lehilahy main’ny herinaratra io. Tsy maintsy atao ny fanadihadiana mifandraika amin’izany », hoy ny polisy.