Tranga samihafa

Tifitra teny Antsahabe Nitsoaka any Toliara ireo namono an’ilay mpitondra môtô

Fantatra fa lasa any amin’iny faritra Toliara iny ireo jiolahy nifanenjehan’ny polisy izay nitifitra ka nahafaty lehilahy mpitondra môtô teny Antsahabe, tamin’ny zoma 20 marsa lasa teo. Mitohy ny fikarohana azy ireo. Voatazona am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy kosa ilay voasambotra, tamin’io andro io.

Efa fantatry ny mpitandro ny filaminana mialoha ny momba an’ireo andian-jiolahy nikasa hanafika teny amin’iny Ankazotokana Ambanidia iny, tamin’ny zoma 20 marsa. Naraha-maso akaiky izy ireo saingy nanapoaka basy, rehefa nahatsikaritra ny polisy teo amin’ny manodidina. Notifirin’ireo olon-dratsy ny lehilahy iray teo ambony môtô nijanona teo antsisin-dalana izay noheverin’izy ireo ho polisy. Namoy ny ainy, nony tonga teny amin’ny hopitaly, ilay voatifitra. Nanenjika avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Voasambotra ny lehilahy iray raha tafaporitsaka ny namany roa.

« Mety hisy ny fiaraha-miasa amin’ny polisy any amin’ny faritra heverina ho nandosiran’ireo jiolahy sasany », hoy ny mpanao famotorana.