Tranga samihafa

Fisamborana olon-dratsy Andiana mpamaky trano tratra niaraka tamin’ny basy

Voasambotra, tamin’ny alin’ny alarobia lasa teo, rehefa nokarohina nandritra ny andro vitsivitsy, ny lehilahy efatra voatondro ho mpamaky trano any Toliara. Nahatrarana basy vita tanana roa sy basy poleta iray nisy bala iray teny amin’izy ireo niaraka tamin’ny finday telo sy karazana fanafody gasy.

Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny vaky trano mateti-pitranga ao an-tampon-tanànan’i Toliara sy amin’ireo tanàna manodidina. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana. Nahitam-bokany izany, andro vitsy taty aoriana. Tratra ny lehilahy efatra. Mitondra fitaovam-piadiana mihitsy ireto olon-dratsy, rehefa manao ny asa ratsy. Mitohy ny famotorana azy ireo, mialoha ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny fampanoavana.