Raharaham-pirenena

Famendrahana fanafody eto an-drenivohitra

Horarahana ranom-panafody ny tanànan’Antananarivo, anio manomboka amin’ny 12 ora antoandro, ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina « Coronavirus ». Voarara tanteraka ny fivoahana ny trano mandritra ny famendrahana, araka ny nambaran-dRazafimahefa Tianarivelo, minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, omaly hariva.

Ezahina hatao isan’andro ity hetsika ity. Hodiovina hatrany amin’ny elankelan-trano rehetra, izay hiarahana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) sy ny sampana mpamonjy voina.

“Tsy mbola tara isika raha ohatra ka mahafehy ny andraikiny ny tsirairay. Tsy voatery ahitana soritr’aretina ny olona mitondra ny tsimok’aretina “Covid-19”. Aoka isika samy tsy hisy hivoaka ny trano intsony manomboka amin’ny 12 ora antoandro”, hoy ny minisitra.