Faritra Sosialy

Betioky sy Ampanihy Hanampy ireo tra-boinan’ny ranotrambo hiarina ny fanjakana

Tsy hijanona hatreo ny fanampiana ireo tra-boina tany Betioky sy Ampanihy. Marefo ara-pivelomana avokoa ireo niharam-boina ka sarotra ho azy ireo no hiarina taorian’ny voina nihatra taminy.

Milaza hanara-maso ny fahafahan’ireo tra-boina miarina ny fitondram-panjakana izay efa nosoloin’ny minisitry ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampirobo- roboana ny vehiavy sy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny nitondrana ny fanampiana voalohany ny fiandohan’ny herinandro teo . « Miarak’ory amin’ireo mponina sy ireo vahoaka rehetra tra-boina anatin’ny distrika Ampanihy sy Betikoky ny fanjakana izay soloinay minisitra mianadahy eto. Tonga izahay nitondra ny teny fampiononana ho an’ ireo fianakaviana nidonam-pahoriana ary nanolotra azy ireo 200 000 ariary isaky ny fianakaviana hanampiana azy ireo hiatrehany izao zava- mitranga izao. Ny Kaominina Beahitsy Avaratra izay nisy ny fokotany Ejeda, tena niharan’ny voina no nanombohana ny famangiana ireo mana-manjo. Tonga teto avokoa ny solontenan’ireo fianakaviana nidonam-pahoriana. Ankoatra ny vola izay natolotra dia nisy ihany koa ireo fitaovana ampiasaina an-dakozia sy sakafo izay nampitondrain’ny fitondra- panjakana natolotra ireo tra-boina», araka ny nohazavain’ ny minisitry ny Mponina, ny fiahiana ara-tsôsialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Lucien Irmah Naharimamy nandritra ny fidinany ifotony tany an-toerana.

Ankoatra izao fanampiana hihatrehana ny vokatry ny ranotrambo izao dia nisy ihany koa ny fitsirihina ny toerana manodidina sy ny ahiana hitera-doza rehetra hahafahana misoroka ny loza ho avy. Ankoatra izay, dia hisy ny fanolorana fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo tojo tsy fahasalamana rehetra.

Volasoa R