Tranga samihafa

VONO OLONA Voasambotra ny sakaizan’ilay Frantsay maty sy olona telo hafa

Tra-tehaky ny zandary any Toamasina ireo olona efatra voarohirohy namono nahafaty teratany frantsay iray tany an-toerana, tamin’ny 19 desambra lasa teo. Vehivavy ny telo amin’izy ireo. Ny sakaizan’ilay namoy ny ainy, vao 19 taona monja, tena akaiky ny niharam-boina ny iray, araka ny fantatra.

Nitantara ireo nahavanon-doza, tamin’ny famotorana nataon’ny Zandarimaria, fa novelesina tamin’ny maritoa ny lohan’ilay vahiny. Nasitrika tao anaty vata fasiana akanjo ny razana. Nariana tany amin’ny sisin-dranomasina ny razana afaka ora maro taorian’izay rehefa tsy nisy nahita. Ny sakaizan’io teratany vahiny io izay voalaza fa tompon’antoka tamin’izao vono olona izao no nanakarama fito tapitrisa ariary ireo olona telo nahavanon-doza, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana.

Raha tsy misy ny fiovana dia anio izy efatra no hatolotra ny Fampanoavana any Toamasina.