Tranga samihafa

RAZANA TENY AMORON-DRANOMASINA Telo vavy sy lehilahy iray ahiana ho namono an’ilay frantsay

Nisy tamin’ireto olona voarohirohy, vehivavy telo sy lehilahy iray, no voatondro ho tompon’antoka voalohany tamin’ny famonoana ho faty an’ilay lehilahy teratany frantsay, tany Toamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no heno fa nandray anjara mivantana tamin’ny fandatsahana ny ainy. Rehefa hita fa tapitra ny ain’ilay teratany vahiny dia noentina nalevina teny amoron-dranomasina ny razana. Ireo voarohirohy ihany, avy eo, no nanondro ny toerana nandevenana azy teny. «Resaka adiady sy fifamaliana tamin’ny vehivavy niaraka taminy no fantatra fa nahatonga ny famonoana an’ilay teratany vahiny», araka ny nambaran’ny mpanao famotorana amin’ity raharaha ity. Efa nifampitadiavana, nanomboka ny alin’ny alarobia 19 desambra lasa teo, ilay lehilahy frantsay. Nisy ny fikaroham-baovao nataon’ny mpitandro ny filaminana, nandritra izay. Niafara tamin’ny fahitana ny vatanamangatsiaka izany, ny sabotsy lasa teo. Mbola tazomina aton’ny zandary andrimaso ireo olona efatra voarohirohy eo am-panohizana ny fanadihadiana. Hatolotra ny Fitsarana, aorian’izay, ny raharaha.