Sosialy Tapatapany

Marthe Hervée

Higadona, anio ao amin’ny «Institution Marthe Hervée» etsy Ankasina ny nofo mangatsikan’i Marthe Hervée. Raha tsiahivana dia tany Maorisy izy no namoy ny ainy, teo amin’ny faha-64 taonany, rehefa notsaboina tany an-toerana. Marihina fa namela kamboty efatra mianadahy ity mpanompovavin’Andriamanitra ity. Anisan’ireo olona nijery ny maha olona izy ary efa betsaka ireo olona nahazo soa taminy na teo amin’ny lafiny ara-panahy izany na teo amin’ny fizarana fahalalana sy ny fahaizana.