Sosialy Tapatapany

Fifaninanana

Ny lisea Ankadikely Ilafy ao amin’ny Cisco Avaradrano no nandrombaka ny amboara tamin’ny fifaninanana miantsehatra amin’ny Teny anglisy nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpampianatra Teny anglisy eto Analamanga, izay niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Cisco valo no nifaninana ka nandray anjara hatramin’ny ankizy madinika. Tanjona ny hampi- roboroboana ny fifehezan’ny mpianatra ny Teny anglisy. Nandritra ny famaranana ny hetsika ihany koa no nanamarihan’ireto mpanabe ireto ny fetin’ny Noely 2018.