Sosialy Tapatapany

Fanjifana

Vita iny ny fetin’ny Noely. Efa manomana sahady ny fihavian’ ny taona vaovao indray ny olona. Nihazakazaka tany amin’ny fanjifana anana sy legioma indray ny olona, nanomboka omaly. Ho an’ireo mpamongady legioma sy anana etsy Andravoahagy, nambaran’izy ireo fa mitombo isa ireo mpivarotra manjifa ny entan’izy ireo. Efa fantatry ny mpivarotra antsinjarany fa mitady sakafo maivana ny ankabeazan’ny olona rehefa aorian’ny fety ka izay no mampirohotra azy ireo hivarotra izany. Vetivety dia lany ireo anana noentin’ny mpivarotra mpamatsy ny mpivarotra teny an-toerana. Efa saika tsy nahazo anjara ireo tonga farany.