Kolontsaina

FANENJEHANA DAHALO Zandary roa naratra voatifitra teo amin’ny lohany sy ny tanany

Teo am-panenjehana ireo dahalo avy nangalatra omby miisa zato ireo zandary avy ny Ambalanjanakomby sy Berivotra ary Antsampanana Tsararano any Maevatanàna no tratry ny tifitra variraraka. Naratra mafy ny zandary iray voa teo amin’ny lohany ary nidiran’ny bala teo amin’ny tanany kosa ny zandary iray hafa.

“Notafihin’ny dahalo am-polony maro nitondra basy ny tanànan’Anosikely ao Begogo-Maevatanàna ny alin’ny 23 desambra lasa teo. Nitsoaka nanaraka ny lalam-pirenena fahefatra ireo dahalo. Noentin’ny fiaran’ny faritra ireo zandary nanenjika ireo dahalo nandroaka ireo omby zato avy nangalarin’izy ireo. Mbola eo am-pandehanana ilay fiara no efa nandrasan’ireo dahalo tamin’ny toerana iray. Sady nitifitra izy ireo no nitsoaka ka teo no nahavoa ireo zandary roa”, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandary any Maevatanàna. Tsaboina ao amin’ny hôpitaly Maevatanàna ireo zandary roa ireo, araka ny fantatra avy any an-toerana.