Tranga samihafa

FANAOVANA HOSOKA Sarona ny vola sandoka maherin’ny iray tapitrisa ariary

Efa naparitaka sy mbola nokasaina haparitaka ireto vola sandoka mitentina roa alina sy efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary sarona tany Nosy-Be, ny sabotsy lasa teo, ireto. Lehilahy telo no voarohirohy sy voasambotra tamin’ ity raharaha ity. Niainga tamin’ny fitarainana voaray tamin’ ny olona iray mpikirakira vola amin’ny finday ny fikarohana nataon’ny mpitandro ny filaminana, tany an-toerana. Tsikaritra ny ankizilahy iray nitondra 520 000 ariary teo amin’ilay mpandefa vola amin’ny alalan’ny finday, herinandro lasa izay. Fantatra, taty aoriana, fa sandoka ireo vola ireo. Natao ny fanarahan-dia an’ilay ankizilahy ahiahiana. Olona eo an-tanàna ihany, avy eo, no voarohirohy ho namany amin’ny fanaovana ny asa ratsy. Natao ny vela-pandrika. «Voasambotra teto Nosy Be ihany rehefa nandrasana ho tonga avy any Ambanja ireo ati-doha mikotrika ny fanaparitahana sy fanaovana vola sandoka. Niaiky ireo voarohirohy fa nokasaina mbola haparitaka amin’ny toeram-pisotroana eto Nosy Be ny vola sandoka sivy hetsy ariary sarona teny amin’izy ireo », hoy ny polisy any an-toerana.