Tapatapany Tranga samihafa

Basy poleta telo

Tra-tehaka ny jiolahy dimy voalaza fa tompo’antoka tamin’ny fanafihana fianakaviana iray tany Antanambao-Nosy Be, andro vitsy lasa izay. Nahitana basy poleta miisa telo tany amin’izy ireo. Vola telo tapitrisa ariary no very tamin’ny fanafihana nataon’izy ireo tany Nosy Be io.