Samihafa

Lanonana goavana Hatao any Toamasina sy Foulpointe ny andiany fahafolo an’ny “Mitsaka”

Vaovao mahafaly ho an’ireo mpankafy dihy. Hotanterahina ihany ilay lanonana goavana ho an’ny dihy any amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy nampitondraina ny anarana hoe “Mitsaka”. Hizara roa mazava tsara ity andiany fahafolo ity ka hotanterahina any Toamasina ny andiany voalohany amin’ ny 4,5,6 desambra ho avy izao ary any Foulpointe kosa ny andiany faharoa amin’ny 18,19,20 desambra 2020.

Saika ho hita mandritra an’io fotoana io avokoa ireo karazan-dihy misy sy ampianarina eto amintsika amin’ny maha sahoby goavana ho an’ny dihy azy. Fifandrimbonana no fototr’izy io ka nanasa ireo mpisehatra amin’ ny dihy rehetra manerana ny Nosy ny mpikarakara. “Ny antony anaovana ny “Mitsaka” amin’ity taona ity mantsy, ny finiavana hitazona ny afo tsy ho faty. Amin’ny taona 2021 kosa vao tena hotanterahina ilay fandaharanasa rehetra izay tokony ho natao tamin’ity taona ity”, hoy ny mpikarakara.

Tsy hisy ihany koa moa ny fandraisana an-tanana an’ireo mpandray anjara fa miankina tanteraka amin’ny finiavana sy ny fitiavan’ny tsirairay ny fahatongavana amin’ity hetsika andiany fahafolo ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra