Tapatapany Tranga samihafa

Fahafatesana olona dimy

Nirefodrefotra ny basy, izay nahafatesana olona dimy, voatondro ho dahalo, tany Iabohazo, afak’omaly alina. Nahazo fampandrenesana tamin’ny lehiben’ny fokontany Mahazoarivo-Ivandrika, any Farafangana, ny lehiben’ny zandary tany Iabohazo tamin’ny fisian’ireo dahalo avy nanafika azy ireo sy nitondra omby nitsoaka. Niambina kizo avy hatrany ireo zandary no tonga ireo dahalo ary io niafara tamin’ny fifampitifirana io. Tavela ireo omby nentin’izy ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao