Sosialy

Bakalorea Hivoaka raha afaka telo herinandro ny voka-panadinana

Niroso tamin’ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana bakalôrea ny mpitsara, nanomboka omaly tolakandro. Tamin’ ny alakamisy lasa teo no nifarana ny adina an-tsoratra ho an’ny fanadinana bakalôrea ankapobeny raha mbola mitohy kosa ny adina ho an’ireo mpianatra miatrika ny sokajy teknika. Tombanana hivoaka, amin’ny tapaky ny volana novambra any ho any, ny voka-panadinana.

“Efa manomboka ny fitsarana an’ireo taratasim-panadinana ho an’ny bakalôrea ankapobeny. Ho vita amin’ ny herinandron’ny 2 novambra ho avy izao ny fitsarana rehetra. Any amin’ny herinandron’ny 16 novambra any kosa no hivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny nambaran’ny tompon’ andraikitry ny fanadinana.

Tsy mbola manana ambara mikasika ny naotin’ireo mpiadina kosa ireo mpitsara noho izy ireo vao manomboka ny fitsarana.

Nizotra am-pilaminana kosa, tamin’ny ankapobeny, ny andiany faharoa amin’ny bakalôrea teknika, omaly. Hifantoka amin’ireo taranja natokana ho azy ireo ny mpiadina, amin’ity herinandro ity. Nanao fidinana ifotony teny amin’ny lisea teknika Ampasampito sy teny Mahamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice, omaly. Mafy ny fanaraha-maso ny fizotran’ny fanadinana manerana ny Nosy. Omaly ihany dia efa nosantarina ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao