Samihafa

Sedra tamin’ny fitsaboana Reny mitantara ny nanapahana   ny tsinain-janany

Andro vitsy taorian’ny nahaterahany no voatery niatrika fandidiana noho ny tsy fahatomombanana tao amin’ny tsinainy ity zazalahikely iray, folo volana. Naharitra volana vitsivitsy ny fitsaboana azy talohan’ny nahatongavana tamin’ny fanapahana ny ampahany tamin’ny tsinainy. Vita ny fandidiana rehetra. Miaina toy ny zaza rehetra izy, ankehitriny, saingy tsy adinon’ny reniny ireo tebiteby sy fahasahiranana nodiavina niaraka tamin’ity menaky ny ainy.

Fantatra fa ny aretina antsoina amin’ny teny vahiny hoe« hirschsprung » izay mahazo ny tsinay no nihatra tamin-dRabeson Nyaiko Jordan. Zazalahikely, vao folo volana monja, no tsy maintsy niakatra teo amin’ny latabatra fandidiana. Nivezivezy teny amin’ny hopitaly nanara-maso ny fivoaran’ny toe-pahasalamany sy niatrika ny fandidiana rehetra ilay zaza. 
Mitantara ny tebiteby sy ny fiaretana an’io fitsaboana an-janany io Randrianome Stephane, maman’i Jordan. Mitondra fanazavana eto ambany ihany koa ny mpitsabo iray mpandidy ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (Hjra) manoloana an’ity aretina «hirschsprung » ity. Sarotra foana mantsy rehefa tojo tsy fahasalamana, indrindra fa hoe zaza. Hafa kosa rehefa mitsabo mba hahafahana manasitrana ny aretina. 

Fibontsinan’ny kibo

Zanak’i Stepahane Randrianome fahatelo Rabeson Nyaiko Jordan, zazalahikely. Teraka tao amina hopitaly tsy miankina iray izy. Nodidiana ny reniny teo am-piterahana azy. Sempotra ilay zazakely ka voatery napetraka tamin’irony vata fitaratra kely fikarakarana zazakely na « couveuse » irony, araka ny fitantaran’ny reniny. 

Fotoana vitsy taty aoriana, tsikaritra ho mibontsina ny kibony. Tsy namoaka maloto ihany koa ny lava-pitombenany. Nalefan’ny mpitsabo hatao fizahana  eny amin’ny hopitaly Hjra izy, taorian’izay. Teo no nahitana fa mibontsina ny tsinain’i Jordan. Voatery nasiana fantsona izay nahafahana namoaka ny maloto.Fibontsinan’ny kibo

« Nodidiana i Jordan noho io tsy fahatomombanana ao amin’ny tsinainy io. Navoaka teo amin’ny kibony ny maloto tokony hivoaka any amin’ny lava-pitombenana », hoy Randrianome Stepahane, renin’i Jordan. Afaka namonjy fodiana avy teny amin’ny hopitaly, dimy andro taorian’ny fandidiana i Jordan. Tsy nitsahatra nanao ny fanaraha-mason’ny fivoaran’ny fahasalamany anefa izy taorian’izay.

Tahotra sy tebiteby

Tamin’ny volana marsa lasa teo dia niverina teny amin’ny hopitaly natao fizahana ny lava-bodin’i Jordan. Voamarina fa ny aretina « hirschsprung » no mahazo azy. «Zavatra tsy fahita firy no nahazo an-janako. Natahotra sy nitebiteby fatratra izahay. Nanome toky hatrany kosa ny mpitsabo. Nanana fanantenana aho fa ho sitrana izy », hoy hatrany Randrianome Stepahane. 

Nandeha ny andro sy ny volana. Nandritra ny folo volana izay, nivoaka teo ivelany teo amin’ny kibony ny maloto. Niatrika fandidiana manaraka i Jordan. Nanesorana efa ho antsasany mahery ny tsinainy. 

«Tsy dia sarotim-pery i Jordan. Nilalao tahaka ny zaza rehetra izy na dia misy loaka aza ny ilan-kibony havia. Tsy nitombo lanja kosa izy teo amin’ny faha fito volany. Nijanona ho fito kilao hatrany, hatramin’izao izy folo volana izao. Vita ny fandidiana farany, tamin’ny 22 jolay lasa teo. Tafaverina amin’ny toerany ny tsinainy », araka ny fitantaran’ny renin’i Jordan.
 
Aretina mahafaty

Ny mpitsabo tao amin’ny sampana misahana ny fandidiana zaza eo anivon’ny hopitaly Hjra no nandray an-tanana ny fitsaboana sy ny fandidiana an-dRabeson Nyaiko Jordan. Nambaran’ny Dr Raherison Aristide Romain, mpitsabo mpandidy sady lehiben’ny sampana misahana ny fandidiana zaza ao amin’io hopitaly lehibe io, fa tsy vao sambany no nisy zazakely voan’ity aretina « hirschsprung » ity, nandalo tao amin’ny sampana iandraiketany. Mahalana ihany anefa ny fisian’izany. Mazàna dia zaza na ankizy telo sy roa isam-bolana voan’io aretina io no tonga eny amin’ny hopitaly Hjra.

«Misy faritra tsy mandeha ao amin’ny tsinaibe. Ny faritra mamoaka maloto mihitsy no voa, hany ka tsy mivoaka any amin’ny tokony hivoahany ny maloto rehetra fa miangona ao amin’ny tsinay. Mety hitarika amin’ny fahafatesana izany. Mety ho vaky ny tsinay ka hiparitaka ao anaty ao ny maloto », hoy Dr Raherison Aristide Romain.

Nambaran’ity mpitsabo ity hatrany fa zaza roa no efa nindaosin’ny fahafatesana noho izany aretina izany, hatramin’ny fiantombohan’ny taona,  araka ny tatitra voaray herinandro vitsy izay. « Tara loatra vao tonga tety amin’ny hopitaly ireo zaza ireo ka tsy nisy azo natao intsony », hoy ny fanazavana. Efa nisy ankizy roa, enina ambin’ny folo taona sy roa amby roapolo taona, tratran’ity aretina ity ihany koa no notsaboina teny amin’ny hopitaly Hjra.

Fahasarotan’ny fandidiana 

Tranga vitsivitsy no ahafantarana fa mety ho voan’ny ny aretina «hirshprung » ny zaza iray : mibontsina ny kibony, tsy mivoaka ny maloto, mandoa maitso. Ny valin’ny fizahana, avy eo, no hanamarinana fa misy an’io aretina io tokoa ilay zaza. 

Mandalo dingana vitsivitsy ny fitsaboana ary fandidiana  telo no tsy maintsy atao. « Avoaka ivelany ny tsinay amin’ny fandidiana voalohany. Hangalana kely ny tsinay amin’ny fandidiana faharoa. Atao ny fandidiana farany rehefa lehibe ilay zaza ka ampidinina any ambany amin’ny lava-pitombenana ny tsinay », araka ny fanazavan’ ny Dr Raherison Aristide Romain hatrany.

Fantatra tamin’ny fanampim-panazavana avy amin’ny mpitsabo ihany fa anisan’ny sarotra ny fandidiana amin’ity aretina « hirschsprung » ity. Tsy hiandry ela fa tokony hanatona mpitsabo avy hatrany ny ray aman-dreny raha mahita zavatra mampiahiahy amin’ny zaza, tahaka ny fibontsinan’ny kibo sy ny tsy fivoahan’ny maloto.