Kolontsaina

Fifaninanana zavakanto tany Etazonia Voahosotra ho tompondaka eran-tany i Maheva Raelison

Vaovao mahafaly ho an’ny tontolon’ny mozika. Azon’i Maheva Raelison, tovovavy 17 taona manan-talenta amin’ny fihirana, ny amboara eran-tany tamin’ilay fifaninanana zavakanto “Arts du spectale” natao tany Etazonia. Raha tsiahivina, notontosaina tamin’ny 6-22 jolay 2019 lasa teo tao Los Angeles ny fifaninanana. Mpikirakira zavakanto (mpandihy, mpihira, mpanao teatra…) miisa dimanjato sy arivo avy amina firenena valo amby efapolo no nifampikatroka tamin’i Maheva. Ny fifehezany ny fitendrena gitara sy ny gadona milanto (solo) no naharesy lahatra ny mpitsara ka nampisongadina azy tamin’izao sehatra avo lenta izao.

Ankoatra ny medaly nampisalorana an’i Maheva,dia anisan’ny loka lehibe nomeza azy koa ny fahafahany mamokatra sy manodina sanganasa roa. Varavarana misokatra ho an’ity tanora mpankafy an’i Ed Sheeran ity io satria faniriany ny hamoaka rarikira feno. Na izany aza, laharam-pahamehana ho an’ity tovovavy malagasy mipetraka any Frantsa ity hatrany ny fianarana. Marihina fa mianatra ao amin’ny lisea Toulouse-Lautrec, ao amin’ny kilasy famaranana sampana siantifika i Maheva.