Samihafa

Fodiamandrina mpanentana Nindaosin’ny fahafatesana i Dany Rabemananjara

Namoy ny ainy teo amin’ny faha-70 taonany, tamin’ny 24 jolay hifoha ny 25 jolay lasa teo, i Dany Rabemananjara, mpanao gazety, manam-peo miavaka tsy zoviana amin’ny Malagasy maro. Izy no namorona sy nanolotra ny fandaharana “Ampitampitao” tao amin’ ny onjam-peo nasionaly (RNM).

Aretina efa nahazo azy nandritra ny fotoana naharitra no voalaza fa nitarika tamin’izao fodiamandriny izao. Nanamarika olompirenena maro ny « Ampitampitao », fandaharana anisan’ny be mpanaraka ao amin’ny Radio Madagasikara. Nanana talenta tamin’ny fitantarana lalao baolina kitra ihany koa izy, ankoatra ny maha mpanakanto (mpamoron-kira sy mpitendry zavamaneno) ary mpikabary azy. Izy no filohan’ny fikambanan’ny zanak’Ambohimanarina sy Antehiroka mikabary (FIZAAMI).