Zavakanto

Fikambanana « Varatava » Hankalazaina mandritra ny iray volana etsy Antsahavola ny taosary

Miavaka. Voambolana iray tsy faheno firy ny atao hoe « Varatava », izay noforonin’ny fikambanana mikirakira ny taosary tsy ahitana afa-tsy sarin’olona. Hanokana ny volana aogositra iray manontolo ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola hampahafantarana an’ity kanto iray ity. Mpahay taosary manodidina ny dimampolo mivondrona anatin’ny fikam ba nana « Varatava » no handray anjara amin’izany.

«Fampirantiana sary ivondronana mpanakanto maromaro mivoy sary olona ranoray mandritra ny iray volana io fihaonana io», raha ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fikambanana Varatava, Jimmy Randriatahiry. Ny 2 aogositra amin’ny 5 ora hariva no hanomboka ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy ny 30 aogositra. Hisy hatrany ny varotra fampirantiana isan’andro. Ireo mpikambana ihany no hanolotra ny sanganasany ao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana kosa ny fanentanana, fandefasana sarimihetsika ary ny atrikasa ho an’ny salan-taona tsy ankanavaka. Mampiavaka an’ity andiany faharoa ity ny fisian’ny fampirantiana ny sarin’ireo mpilalaon’ny Barea, izay hoentin’ny mpikambana hanomezana voninahitra azy ireo tamin’ny fampihavanany ny Malagasy. Hisy ny lalao ho an’ny mpitsidika izay miendrika fifaninanana sary ka hizarana loka ho an’ireo telo mendrika indrindra.

Volasoa Randriamanantena

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra