Sosialy

Tetikasa tanàna vaovao Mila faritana ny toerana hanorenana ny Tana-Masoandro

Nahazo baiko avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanorenana tanàna vaovao na ny « Tana-Masoandro ».

“Tsy maintsy tanterahina amin’ity taona ity ny famaritana ny toerana hametrahana ny tetikasa Tana-Masoandro”, araka ny voafaritra tao amin’ny Filankevitry ny minisitra, tamin’ny 24 jona lasa teo. Misy ihany koa ny fangatahana manokana amin’ny fampidirana ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena avo lenta, izay efa voafaritra tao anatin’ny tetikasa.

Nanambaran’ny minisitra Zasy Angelo, teo aloha teo, ny fieritreretana toeran-kafa hananganana ny Tana-Masoandro. Efa niteny mihitsy aza izy momba ny fisian’ny tany eny Imerintsiatosika.

Notoherin’ny teny Ambohitrimanjaka hatramin’ny farany ny fanotorana ny tanimbariny sy fakàna ny taniny ho fanorenana an’ity tanàna vaovao ity.