Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Mpitondra môtô voasaringotry ny kamiao

Naratra mafy ny taolantongotry ny lehilahy iray nitondra môtô tra-doza, teny Manjaka Ilafy, afak’omaly hariva. Voasaringotry ny kamiao izy ka nitrosona tamin’ ny arabe. Manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly ilay niharamboina, hatramin’ny omaly. Notazonin’ny zandary kosa ny mpamilin’ny kamiao.

Nanao taingin-droa ny môtô iray nisongona kamiao mitarika kanjo nifanena tamina fiara kely iray. “Nikoropaka sy nihetsika mafy ilay nentina teny ambony môtô. Taitra ny mpamily ka tsy nahatazona ny familiana. Voasaringotra teo amin’ny kamiao izy, nialoha ny nianjerany”, hoy ny zandary eny Ilafy. Nieren-doza ny olona faharoa teo ambony môtô.