Samihafa

FAHAMAIZANA Trano dimampolo kila tany Fenoarivo Atsinanana

Tamin’ny fahoriana tanteraka no niainan’ireo olona manodidina ny telonjato ny Fetim-pirenena vokatry ny loza nahazo azy ireo tany Tanambao-Fenoarivo Atsinanana, tamin’ny 23 jona lasa teo. Noho ny firehetan’ny trano iray dia niteraka fahamaizana tamin’ireo trano sivy amby efapolo manodidina izany. Tsy manan-kialofana avokoa ireo mponina ireo, araka
ny loharanom-baovao avy any an-toerana.

“Tsy fantatra ny anton’ny afo fa niainga tao amin’ny trano iray ny firehetana, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Niezaka namono ny afo ireo mponina teo amin’ny manodidina rehetra saingy tsy voafehy izany vokatry ny hamafin’ny rivotra. Fepetra noraisina taorian’ny loza ny nametrahana ireo tsy manan-kialofana ao amin’ny Sekoly fanabeazana fototra aloha”, hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.