Sosialy

Fanaraha-maso ny fitaterana entana Fiara roapolo tratra tsy nahavita fandraisana ara-teknika

Maro ireo tompona fiara manomboka mamadika ny fiarany ho amin’ny fitaterana entana noho ny fiatoan’ny fitaterana olona amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ho an’ny faritra Analamanga manokana. Itakiana fanarahan-dalàna anefa izany fiovàna izany fa tsy atao fotsiny amin’izao. Namoaka fanambaràna momba ny fandraisana teknika an’ireny fiara mivadika ho fitaterana entana ireny ny Foibem-pitondrana misahana ny fitsarana fiarakodia (Dgsr). Fiara roapolo mantsy no efa sarona tamin’ny tsy fanarahana an’io fepetra io nandritra ny fitsirihana ara-teknika andalambe tampoka teny amin’ireo lalam-pirenena mivoaka an’Antananarivo.

Isan’ny takiana ny fampihenana ny isan’ny toerana hifanaraka amin’ny endrika vaovaon’ny fiara, izay raha nitaterana olona teo aloha dia lasa hitondra entana indray. “Tsy afaka miasa ny fiara tsy nahavita an’io fitsirihana teknika io fa omena fe-potoana vonjimaika tsy mihoatra ny roa volana mba hahafahany manaraka ny fenitra. Azo entina miverina manao fitsirihana indray mandeha ny fiara, aorian’izay”, hoy ny avy ao amin’ny Dgsr.