Kolontsaina

Fizarana traikefa Hampianatra ny teknikan’ny saripika ny Next A

Miha mitombo isa ny tanora mirotsaka an-tsehatra eo amin’ny tontolon’ny saripika eto amintsika, amin’izao fotoana izao. Mitaky fahaizana sy aingam-panahy ny fiangaliana an’io seha-javakanto io, ankoatra ny fialamboly sy ny fananana fitaovana raitra. Ny fahatsapana izany indrindra no nanosika ny Next A, foibe natao hampiroboroboana ny sehatrasa malagasy, hikarakara fampiofanana hifehezana ny teknika sy ny haikanto manodidina ny saripika.

Afaka mandray anjara amin’io zara traikefa io avokoa rehefa mpaka sary, na ireo vao hianatra ny tontolon’ny saripika na ireo efa matihanina. Haharitra dimy andro ny fampianarana ao amin’ny Next A eny Andranomena. Hampahafantarina mandritra ny fiofanana ny saripika amin’ny ankapobeny. Hohalalinina ny fikirakirana ny fakan-tsary. Hianarana ny fomba fiangaliana ny sary mba hanome sanganasa kanto sady matihanina.

Misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay rehetra liana amin’ny fakàna sary. Amin’ny 02 -06 marsa 2020 no hanaovana ny fampianarana. Mitentina 150 000 ariary isan’olona ny saran’ny fampiofanana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra