Raharaham-pirenena

FIOMBONAM-BAVAKA NOELY Tsy mahafoy an’ireo sahirana i Andry Rajoelina

Teo anilan’ireo fianakaviana sahirana sy ny mpanao asa soa. Teny amin’ny foiben’ny fikambanana Ankamasoa teny Andralanitra, teny amin-dry mopera Pedro, no nankalaza ny fetin’ny Noely ny kandidà Andry Rajoelina sy ny vady aman-janany, omaly. Taorian’ny fotoam-bavaka niarahany nankalaza ny fiavian’ny tompo teny an-toerana dia niaraka nisakafo tamin-dry mopera Pedro sy ireo vahoaka sahirana tezaina eny Andralanitra ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny vady aman-janany.

Nisy ihany koa ny fanolorany fanomezana an’ireo fianakaviana sahirana teny Andralanitra, omaly. Ny alatsinainy lasa teo no efa nizara kilalao ho an’ireo zaza sahirana teo anivon’ireo boriborintany miisa enina eto Antananarivo renivohitra i Mialy Rajoelina, vadin’i Andry Rajoelina. Zaza miisa eninjato sy telo arivo no nisitraka an’izany.