Tranga samihafa

Fanakorontanana sy asan-jiolahy Nopotehina teny Langaina ireo grenady sy basy vita tanana

Grenady “offensive” sy “défensive” marobe voalaza fa nokasaina hanakorontanana teto an-drenivohitra, tao anatin’ny taona maro, no nopotehina tany Langaina-Avaradrano, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Ankoatra ireo, nisy basy fampiasan’ny mpitandro filaminana ihany koa tra-tehaka tany amin’ny mpanakorontana sy jiolahy teto an-drenivohitra nanaovana andrana raha mbola azo ampiasaina. “Tsy maintsy nirosoana ny fanapotehana ireo fitaovam-piadiana ireo sao misy alaim-panahy hampiasa”, hoy ny jeneraly Rakotondrazaka Andry, lehiben’ny faripiadidiam-paritany Zandarimaria Antananarivo, omaly teny Ankadilalana.Efa hatramin’ny taona 2009 ny sasany tamin’ireo grenady ireo no tra-tehaky ny Zandarimaria. Nanakorontanana teto an-drenivohitra tamin’ny Tetezamita ny maro. Nisesisesy izany taty aoriana ka nahatrarana ireo basy mahery vaika, izay tokony ho fampiasan’ny mpitandro filaminana. “Miisa valo ireo basy “kalachnikov” tra-tehaka natao andrana raha mbola azo ampiasaina. Tsy nopotehina ireo satria azon’ny mpitandro filaminana ampiasaina. Hividy aza noeritreretina ka mainka moa fa misy an’ireo”, hoy hatrany itsy jeneraly itsy.Tsy nopotehina tamin’ izao ireo fitaovam-piadiana toy ny grenady marobe ireo fa nisy ny fitanana an-tsoratra nataon’ireo zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava eny Fiadanana. Manamboninahitra lietna-kolonely iray misahana ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimaria no nitarika ny iraka tany Langaina-Avaradrano.