Tranga samihafa

Fanafihana tany Toamasina Karohina ny naman’ireo efa-dahy matin’ny polisy

Tafaporitsaka ny telo tamin’ireo andian-jiolahy nifampitifitra tamin’ ny polisy tany Toamasina, afak’omaly. Mitohy ny fikarohana azy ireo, hatramin’ny omaly hariva. Tsy mbola nahenoam-baovao momba izany ny mpitandro filaminana. Napetraka any amin’ny tranom-patin’ ny hopitaly kosa ny fatin’ireo efa-dahy voatifitra.

Nikasa hanafika mpandraharaha mpividy jirofo ireo lehilahy maromaro ireo saingy efa narahin’ny mpitandro ny filaminana, afak’ omaly tolakandro. Tsikaritr’ireo voalaza fa jiolahy ny polisy tonga teny an-toerana. Nifampitifita ny an-daniny sy ny an-kilany. Maty tsy tra-drano ny efatra tamin’ireo olon-datsy. Nandositra niaraka tamin’ny basy ny telo hafa. Tratra teo ihany koa ny bajaj izay voalaza fa vao avy nangalarina noentina hanaovana ilay asa ratsy.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao