Raharaham-pirenena

Rano sy herinaratra Afaka mampihemotra ny fanefana faktiora ny Jirama

Manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena noho ny fifehezana ny tsy hiparitahan’ny aretina “coronavirus” dia milaza ho afaka mampihemotra ny fanefana ny faktiora volana marsa ny orinasa Jirama, araka ny teny nataon’ny Filohan’ny Repoblika, afak’omaly alina.

“Afaka aloa indimy miantoana ao anatin’ny dimy volana ny faktiora, rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Manana safidy ihany koa anefa ny mpanjifa raha hanefa avy hatrany ny fitambaran’ny tsy voaloa na hozaraina 10 volana ny handoavana ny faktiora izay hifampiresahana amin’ny Jirama”, hoy ny fanazavana.