Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Tovolahy nitondra fiara nandratra olona roa

Naratra mafy ny lehilahy roa nitaingina bisikileta tamin’ny lalam-pirenenea fahafito, teny Amboanjombe Bongatsara, afak’omaly. Nodonin’ny fiara iray marika « Renault Express » nikasa hiakatra aty an-drenivohitra izy ireo.

Araka ny tatitra azo avy amin’ny Zandarimaria eny Andoharanofotsy dia vokatry ny tsy fifehezan’ ny ankizilahy, 17 taona, nitondra ny fiara no nahatonga ny loza.

“Tsy mbola ampy taona ilay mpamily no sady tsy manana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia. Notazonina avy hatrany izy. Ankoatra ireo roa lahy nitaingina bisikileta dia naratra ihany koa ireo ankizy roa, 12 taona sy 8 taona, tao anatin’ilay fiara. Nentina notsaboina ao amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa eto Andoharanofotsy izy ireo”, hoy ny voalazan’ireo zandary.