Sosialy

Fitsaboana tenany Ifanotofana ny kilaoraokina

Velona ny fanararaotana amin’ny fivarotana an’ireo fanafody heverin’ny olona ho manasitrana ny aretina azo avy amin’ny “Covid-19”, toy ny “Chloroquine”. Any amin’ ireo mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna sy ny tambajotran-tserasera “ Facebook” no tena ahitana azy. Betsaka ireo olona no mividy an’io karazana fanafody io. Manome vahana azy ireo ny vidiny izay amidy 2 000 ariary hatramin’ny 5 000 ariary ny pilina folo.

Mandà ny fivarotana ny “Chloroquine” amin’ny daholobe kosa ny eny amin’ny toerana fivarotana fanafody manara-dalàna sasany eto an-drenivohitra. Ireo manana taratasy fahazoan-dalana hividy fanafody avy amin’ny mpitsabo ihany no homen’izy ireo ho an’ny mpivaropanafody iray etsy Ambandia.

Etsy an-kilany, manamafy ny avy ao amin’ny Ivontoeram-pibaikoana momba ny “Covid-19” fa “voarara ny fihinanana an’io fanafody io. Tsy natao hisorohana ny aretina izy fa tokony ho fitsaboana. Misy fepetra maro avy amin’ny mpitsabo rahateo ny fampiasana azy”. Eo ihany koa ny risika amin’ny kalitaon’ireny fanafody eny amin’ny tsy ara-dalàna ireny.