Sosialy Tapatapany

Fikambanana Fitia

Tonga nanampy sy nankahery an’ireo olona mitondra ny tsimok’aretina “Covid-19” ao amin’ny hopitaly Andohantapenaka sy Anosiala ny Fikambanana Fitia, tarihin’ ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, afak’omaly alina. Notolorana sakafo maromaro, be otrikaina sy mampitombo ny hery fiarovana izy sivy ambin’ ny folo mianadahy. Tafiditra anatin’ireto tohana aratsakafo azon’izy ireo koa ny ronono, tantely, ny spiruline, menaka, ravintsara hievohana, mandrava sarotra sy maro hafa.