Tranga samihafa

Fanendahana – Voasambotra ilay lehilahy mpamerin-keloka

Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa efa nisazy teny amin’ny fonjan’Antanimora, tamin’ny taon-dasa, ity tovolahy, 17 taona, voasambotry ny polisy teny 67Ha, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Fanendahana no nampigadra azy. Mbola fanendahana vehivavy iray koa izao nahatrarana azy izao.

Voaroba teo am-piandrasana taksibe teo amin’ny fiantsonana teny amin’ny Vatobe 67Ha ny vehivavy iray, tamin’ny harivan’ny alahady lasa teo. Nosintonin’ny mpanendaka ny paoketrany izay nisy vola roa hetsy ariary sy finday roa. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ilay lasibatra. Tamin’ny fanadihadiana sy fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana nisehoan’ny asa ratsy no nahatraran’ny mpitandro filaminana an’iry tovolahy.

Tamin’ny fisavana azy tany amin’ny biraon’ny polisy no nahitana ny ampaham-bola halatra, niaraka tamin’ireo finday norobainy.