Sosialy Tapatapany

Fahatapahan-karama

Maro amin’ireo mpampianatra tsy miankina no mitaraina manoloana ny fiatoan’ny fampianarana vokatry ny valanaretina “Coronavirus”. Nambaran’ ny avy ao amin’ny Ofisim-pirenena misahana ny sekoly tsy miankina (Onep) fa maro ireo mpampianatra nitaraina taminy momba an’io karama io. Tsy afaka mitsabaka amin’ny fitantanana ara-bolan’ny sekoly anefa ny Onep saingy miantso ny fifampitsinjovana eo amin’ny rehetra ny ofisy.