Fanatanjahantena

Fiainana atleta Sivy amby roapolo taona nikatrohana volley-ball i Andry Be

Isan’ireo mpilalao zokiny indrindra ao amin’ny klioban’ny Zandarimariam-pirenena amin’ny taranja volley-ball na ny GNVB Rakoto Andry, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe “Andry Be”.

Mpilalao isan’ny lava indrindra ao amin’ireo mpilalao malagasy izy. Mirefy 1,98m ny lehilahy. Nahita azy nampiseho ny traikefany ireo mpanaraka volley-ball nandritra ny fiadiana ny amboaran’ireo klioba aty amin’ny Faritra fahafito, tamin’ ny herinandro lasa iny, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nilomano tao anatin’ny taranja nandritra ny sivy amby roapolo taona i Andry Be.

“Nanomboka tany amin’ny lisea aho, tamin’ny taona 1991, no nilalao volley-ball. Isan’ny taranja nisarika ahy manokana. Manana halavana ihany koa aho ka tonga dia nety tamiko ilay taranja.”, hoy izy.

Manana traikefa amin’ny volley-ball izy na eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena. Nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy nanomboka tamin’ny taona 2003 ny lehilahy. Teo ihany koa ireo lalao iraisam-pirenena ho an’ny klioba nandehanany, toy ny fiadiana ny amboaran’i Afrika.

Nilaza i Andry Be fa “mikasa ny hijanona amin’io taranja io eo amin’ny toerana afovoany, mandra-pahatonga ny fotoana fisotroan-dronono”.