Samihafa

Fiaraha-miasa Hampita mivantana ny CAN ny “Orange Madagascar”

Mandray anjara amin’ny fampitana mivantana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN ny Orange Madagascar, manomboka amin’ny alakamisy ho avy izao. Manohana ny fampitana hataon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina sy ny Ofisin’ny onjam-peo sy fahitalavi-panjakana eto Madagasikara (ORTM) ity orinasan-tserasera ity.

Nahazo alalana, araka izany, izy ireo handefa ireo lalao rehetra hatrehan’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea amin’ny CAN. Handefa ny lalao famaranana ihany koa izy ireo.

“Efa enin-taona izahay no mpiara-miombon’antoka amin’ny CAN. Hisy ny fampitana mivantana izany eny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy eny amin’ny Gara Soarano. Natao izany mba hahitan’ny maro an’isa ny lalao hatrehan’ny Barea. Mba hanomezana fahafaham-po kokoa ny Malagasy anefa dia hisy ny fizaràna tapakila roa hijerena ny lalao amin’ny alakamisy sy iray amin’ny lalao famaranana”, araka ny fanazavan’i Michel Degland, tale jeneralin’ny Orange Madagascar.

Sendra R.