Fanatanjahantena

Karate Hiatrika ady any Tiorkia ny mpi- katroka tanora

Hitan’ireo delegasiona avy any Tiorkia ny fahaizan’ireo mpikatroka malagasy ny taranja haiady karate. Nizara ny traikefany ny mpitsara iraisam-pirenena, Ahmed San sy ny mpanazatra nasionaly any Tiorkia, Levent Aydem niaraka tamin’ny mpikatroka miiasa fitopolo teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly.

Tapa-kevitra ireo delegasiona vahiny fa hiantoka amin’ny fandehanan’ny atleta malagasy mahay indrindra ho any Tiorkia,
amin’ny faran’ny volana septambra ho avy izao. Mbola tsy fantatra ny isan’ireo tanora handeha. Tsy voatery hisy fihaonana kosa anefa fa mety ireo teknisianina manana traikefa no hisafidy izay sangany, araka ny voalazan’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny karate.

Sendra R.