Faritra Tapatapany

Famerenana basy

Basy « Kalachnikov » miisa telo nisy namerina indray no voarain’ny zandary any Betroka, tao anatin’ny iray volana. Noho ny fanentanana nataon’ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana, tany an-toerana, no nahazoana an’ireo basy mahery vaika ireo, izay avy nampiasain’ny olon-dratsy.